Misy "éspèce geant" hita eto Madagasikara
Nampidirin'i bonanga | 17 Jan, 2008Tamin'ny alarobia teo no nambaran'ireo Botanistes ny fahitana karazana zava-maniry, irony "palmier" irony na côcô izay lehibe indrindra aty Madagasikara sy eran-tany mihitsy. Io Palmier izay miendrika Pyramide dia mirefy 18 metatra ny halavan'ny vatany fotsiny. Ny fivelaran'ny raviny dia 5 metatra miodidina.
Vazaha sendra nitsangatsanga no nahita azy araka ny voalaza. Ra natao ny fandinihina dia éspèce vaovao ity côcô-be hita ity ary "genre" hafa koa. Ny mahagaga dia hoe fitambarana "éspère" vitsivitsy efa misy hono no namorona io côcô io. Izay no nambaran'ny botanistes du gardin botanique de Kew any Angleterre.
Xavier sy Nathlie no nahita an'io hazo be io. Izy mivady hono manana fambolena aty Madagasikara. TanyAnalalava tany no nahitany azy.
Ra natao izany ny fikarohana momba ity côcô-be ity (analyse ADN) dia genre-na Palmier antsoina hoe: Chuniophoeniceae. Tsy mbola nambara anefa no tena tokony ho anarany manokana.
Ny fanontaniana apetrako sy mahagaga ahy dia hoe: inona no ataon'i Xavier sy Nathlie any anatin'ny alan'Analalava any? Zao izy nahita éspèce vaovao! Milay ihany le any anaty ala raha tena dinihina kooo!!!