Fandrosoan'ny "internet"

Nampidirin'i bonanga | 15 Jan, 2008

Miarahaba antsika rehetra!

    Ity no lahatsoratra voalohany alefako, mirary fahafinaretana ho anareo eo ampamakiana izany!

    Tsy izoviana amin'ny be sy ny maro tokoa i Madagasikara raha ny lafiny fifandraisana no jerena. Anisan'ny firenena tia mifandray tokoa, ary mampiasa ireo fitaovana avo lenta misy eran-tany.

Ankoatra ny fampiasana ny finday na "téléphone portable" izay niroborobo tokoa, dia efa manana ny anjara toerany ihany koa ny  "internet" eo amin'ny vahoaka malagasy. Voatsikaritra izany amin'ny fisian'ireo olona maro, mahafantatra sy mampiasa mivantana io fitaovana io.

Hita mantsy fa miroborobo ary dia miha-maro tokoa irony antsoina hoe "cyber café" irony: toerana izay ahitana olona maromaro manofa ny "internet". Toy ny eto Anosizato ohatra, izay toerana azo lazaina hoe ambanivohitra ihany, ary tsy nahitàna "cyber café" hatrizay, dia efa misy izy ankehitriny. Nisokatra io toerana fanofàna ny "internet" io teto Anosizato, tamin'ny taona 2007 lasa teo.

Somary  tara ihany Anosizato miohatra ireo toerana akaiky azy toy ny ao Ampitatafiaka. Na izany na tsy izany aza anefa, ny zava-dehibe dia izay fivelaran'ny "internet" izay. Tsy hijanona eto Anosizato irery ny fisiany, fa hiparitaka any amin'ireny toerana lavitra andriana rehetra any.

    Maro ny antony mahatonga izay fandrosoa amin'ny lafiny fifandraisana izay. Ankoatra ny fampiroboroboana sy finiavan'ireo Mpandraharaha anaparitaka ireo fitaovana avo lenta sy vaovao na antsoina hoe "NTIC" irony, dia eo koa ny tetik'asa fampandrosoana naroson'ny Fanjakana ankehitriny.

Tetik'asa miompana amin'ny fampadrosoana ny fizahantany, sy famporisihana ireo Mpandraharaha vahiny, anao fampiasam-bola eto amitsika. Ny "interne" mantsy no fitaovana haingana sy tsotra ary mora kokoa,amin'ny fanatanterahana tetik'asa maro, na amin'ny serasera izany na amin'ny Fifampivarotana, na lafiny hafa toy ny fahalalam-baovao isan-tsokajiny!   

    Raha oharin-tsika amin'ny firenena avy any ivelany kosa anefa, dia azo lazaina fa somary tara ihany Madagasikara amin'ny fampiasana ny "internet"  amin'ny ankapobeny. Ny fitaovana isika efa manana ny ambony sy aingana (ny "haut debit"), fa ny fampiasana io "internet" ara-bakiteny no misy elanelany lavitra.

Any ivelan'ny riaka any ohatra dia toy ny efa fahazarana ny mampiasa ny "internet" rehefa hividy na hivarotra zavatra. Porofon'izany ny fisian'ireo takelaka maro ifampivarotana raha tsy ilaza afa-tsy "ebay" izay fantatry ny be sy ny maro. Vitsy ihany koa eto Madagasikara ny orinasa na olon-tsotra mpivarotra amin'ny "internet" manokana.

Ekena, fa misy ireo izay efa tonga amin'io tanjona io, fa ny maro amin'izy ireo dia, toeram-pifaneraserana fotsiny na antso avo fotsiny. Tsy manana takelaka manokana momban'ny fifampivarotana. Ny zavatra tsikaritra koa dia ireo zava-kanto Malagasy na "art Malagasy" no betsaka misy mivarotra amin'ny alàlan'ny internet eto Madagasikara.

Tsindriko kely ilay hoe zava-kanto na "art". Io ihany ve re olona no mba zavatra azon-tsika amidy? Harona, sarisikotra, haingotrano?. Any aoriana any afaka manantena ve isika fa hisy "Pizza " vita eto an-toerana amidy amin'ny alàlan'ny "internet"