Miarahaba antsika rehetra!
Ity no lahatsoratra voalohany alefako, mirary fahafinaretana ho anareo eo ampamakiana izany!
Tsy
izoviana amin'ny be sy ny maro tokoa i Madagasikara raha ny lafiny
fifandraisana no jerena. Anisan'ny firenena tia mifandray tokoa, ary
mampiasa ireo fitaovana avo lenta misy eran-tany.
Ankoatra ny
fampiasana ny finday na "téléphone portable" izay niroborobo tokoa, dia efa manana ny anjara
toerany ihany koa ny "internet" eo amin'ny vahoaka malagasy.
Voatsikaritra izany amin'ny fisian'ireo olona maro, mahafantatra sy mampiasa mivantana io fitaovana io.
Hita
mantsy fa miroborobo ary dia miha-maro tokoa irony antsoina hoe "cyber
café" irony: toerana izay ahitana olona maromaro manofa ny "internet".
Toy ny eto Anosizato ohatra, izay toerana azo lazaina hoe ambanivohitra
ihany, ary tsy nahitàna "cyber café" hatrizay, dia efa misy izy
ankehitriny. Nisokatra io toerana fanofàna ny "internet" io teto
Anosizato, tamin'ny taona 2007 lasa teo.
Somary tara ihany
Anosizato miohatra ireo toerana akaiky azy toy ny ao Ampitatafiaka. Na
izany na tsy izany aza anefa, ny zava-dehibe dia izay fivelaran'ny
"internet" izay. Tsy hijanona eto Anosizato irery ny fisiany, fa
hiparitaka any amin'ireny toerana lavitra andriana rehetra any.
Maro ny antony mahatonga izay fandrosoa amin'ny lafiny fifandraisana
izay. Ankoatra ny fampiroboroboana sy finiavan'ireo Mpandraharaha
anaparitaka ireo fitaovana avo lenta sy vaovao na antsoina hoe "NTIC"
irony, dia eo koa ny tetik'asa fampandrosoana naroson'ny Fanjakana
ankehitriny.
Tetik'asa miompana amin'ny fampadrosoana ny
fizahantany, sy famporisihana ireo Mpandraharaha vahiny, anao
fampiasam-bola eto amitsika. Ny "interne" mantsy no fitaovana haingana
sy tsotra ary mora kokoa,amin'ny fanatanterahana tetik'asa maro, na
amin'ny serasera izany na amin'ny Fifampivarotana, na lafiny hafa toy
ny fahalalam-baovao isan-tsokajiny!
Raha oharin-tsika amin'ny firenena avy any ivelany kosa anefa, dia
azo lazaina fa somary tara ihany Madagasikara amin'ny fampiasana ny
"internet" amin'ny ankapobeny. Ny fitaovana isika efa manana ny ambony sy
aingana (ny "haut debit"), fa ny fampiasana io "internet" ara-bakiteny
no misy elanelany lavitra.
Any
ivelan'ny riaka any ohatra dia toy ny efa fahazarana ny mampiasa ny
"internet" rehefa hividy na hivarotra zavatra. Porofon'izany ny
fisian'ireo takelaka maro ifampivarotana raha tsy ilaza afa-tsy "ebay"
izay fantatry ny be sy ny maro. Vitsy ihany koa eto Madagasikara ny
orinasa na olon-tsotra mpivarotra amin'ny "internet" manokana.
Ekena,
fa misy ireo izay efa tonga amin'io tanjona io, fa ny maro amin'izy
ireo dia, toeram-pifaneraserana fotsiny na antso avo fotsiny. Tsy
manana takelaka manokana momban'ny fifampivarotana. Ny zavatra
tsikaritra koa dia
ireo zava-kanto Malagasy na "art Malagasy" no betsaka misy mivarotra
amin'ny alàlan'ny internet eto Madagasikara.
Tsindriko kely ilay
hoe zava-kanto na "art". Io ihany ve re olona no mba zavatra azon-tsika
amidy? Harona, sarisikotra, haingotrano?. Any aoriana any afaka
manantena ve isika fa hisy "Pizza " vita eto an-toerana amidy amin'ny
alàlan'ny "internet"